Articles

Affichage des articles du avril, 2021

Culte 18/04/2021

Miarahaba antsika rehetra. Araka ny programme izay efa nampitaina etsy ambony dia fotoana isan-droavolana Fitandremana Montpellier ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao. Koa mba ho fampatsiahivana ihany dia : - Manomboka amin’ny 5 ora tolakandro ny fotoana izay atao en ligne. Ho ampitaina amintsika eto ihany ny lien hidirana ao. - Ny fotoam-pivavahana ny Alahady 18/04 ho avy izao dia ho tanterahana ao amin’ny Chapelle Eglise Saint Jacques. Fidirana amin’ny 10:30 ora. Hisy ny vokatra ho tanterahana hanatevenana ny kitapom-bolan’ny fitandremana ka iangaviana isika mba samy hiomana amin’izany (fitondrana vokatra sy famadihana azy ho vola) Ny Tompo anie hitahy antsika.

Isan-droavolana 17/04/2021 Toulouse

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY (FLM) SYNODAM-PARITANY F.L.M.E FILEOVANA MARSEILLE FITANDREMANA MONTPELLIER   FANEVA : Ezekiela 34, 11 "Indro, Izaho, eny Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy."   FIVORIANA ISAN-DROAVOLANA FITANDREMANA FLME MONTPELLIER   Sabotsy 17 aprily 2021 sy Alahady 18 aprily 2021 Toerana : FLME Toulouse 62 Route de Blagnac 31200 Toulouse Sabotsy 17 aprily 2021 : Fanombohana : 17 ora Tapany I : fampianarana Tapany II : asa sy fampaherezana Tapany III : antsam-panahy Alahady 18 aprily 2021 : Fanombohana : 10 ora sy sasany Misy fandraisana ny fanasan’ny Tompo  

Culte 11/04/2021

Miarahaba antsika rehetra.  - Ny fotoam-pivavahana ny Alahady 11/04 ho avy izao dia ho tanterahana ao amin’ny Chapelle Eglise Saint Jacques. Fidirana amin’ny 11 ora. - FIFIL : Hisy ny fotoam-pifohazana ny Sabotsy hariva amin’ny 20h tanterahana ao amin’ny Skype « FLMMontpellier » izay hanasana ny fiangonana rehetra.  - KTLM : Hisy ny fampianaran-kira amin’ny 10:15, mialoha ny culte Ny Tompo anie hitahy antsika.

Fankalazana ny paska

Miarahaba antsika rehetra.  - Ny fotoam-pivavahana ny Alahady Paska 04/04 ho avy izao dia ho tanterahana ao amin’ny Salle Tourière Saint Jean de Vedas. Fidirana amin’ny 10:30. Hisy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. - SALOMA : Tsy hisy ny fampianarana ny sekoly alahady fa mba miangavy ny mpianatra ho tonga 15 min alohan'ny fidirana hamerina hira hatao mandritry ny culte - FIFIL : Hisy ny fotoam-pifohazana ny Sabotsy hariva amin’ny 20h tanterahana ao amin’ny Skype « FLMMontpellier » izay hanasana ny fiangonana rehetra.  - KTLM : Hisy ny fampianaran-kira amin’ny 10:15, mialoha ny culte. Ny Tompo anie hitahy antsika.