Fikambanan-dehilahy loterana
Miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ilay tia antsika dia i Jesosy Kristy Tompontsika,
" Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjakàm-pisorona, firenena Masina, olona nalain'Andriamanitra ho an'ny Tenenany, mba hilazanareo ny hatsaran'Ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga." I Petera 2, 9
Izany Tenin'Andriamanitra izany no entina hiantsoana antsika lehilahin'ny Fiangonana rehetra, hiara-hivory ny alahady aorian'ny culte ho avy izao, hiarahantsika handinika ny hananganana ny fikambanan-dehilahy (FDL) eto amin'ny Fiangonana Montpellier misy antsika.
Manantena antsika rehetra tompoko no efa mitaona antsika ihany koa amin'ny fitondrana ambavaka izany fotoana izany ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany
Tahin'i Jesosy