Culte 10/10/2021
Miarahaba antsika rehetra.
Ny fotoam-pivavahana ny Alahady 10/10 ho avy izao dia ho tanterahana ao @ salle Henri bois ao @ CUP. Fidirana @ 11 ora. . Eto an-toerana ny Pastora koa dia hisy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.
- SALOMA : Hisy ny fampianarana sekoly alahady izay miditra @ 10 ora.
- FIFIL : Hisy ny fotoam-pifohazana ny Sabotsy hariva @ 20h tanterahana ao @ Skype « FLMMontpellier » izay hanasana ny fiangonana rehetra.
- KTLM: Hisy ny famerenan-kira @ 10:15 mialoha ny fotoam-pivavahana
Fampatsiahivana manokana: Toy ny fanao isan-taona dia voatendry ho ALAHADIN’NY MPITANDRINA ny alahady ho avy izao. Koa dia manasa antsika rehetra mba samy hiomana amin’izany.
Ny Tompo anie hitahy antsika