Fankalazana ny Noely
Salama,
Fampatsiahivana fohy ny programa miandry antsika ny 24-25-26 Desambra ho avy izao.
Zoma 24/12: Toerana CUP salle Henri bois. Fanombohan’ny fotoana 19h30. Iangaviana ireo izay afaka mba ho tonga mialoha hifanome tanana @ fibatana entana sy fanamboarana ny salle.
Asabotsy 25/12: Toerana CUP salle Henri bois. Fanombohan’ny fotoana 10h00.
Alahady 26/12: Toerana Salle Tourrière Saint Jean de Vedas. Fanombohan’ny fotoana 11h00.
Fampatsiahivana fanampiny. Koa satria Vokadehibe isan-taona no ho tanterahantsika ny Alahady 26 Desambra io dia asaina mba samy hiomana @ fitondrana vokatra sy @ famadihana izany ho vola isika mba ho entintsika mampandroso ny asan'ny Tompo.
Misaotra antsika dia samy ho tahian’ny Tompo e.