Articles

Affichage des articles du janvier, 2022

Isan-droa volana 05-06/02/2022

 Indro omena anao ETO ny programan'ny isan-droa volan'ny Fitandremana Montpellier. Sabotsy 05 sy Alahady 06 febroary 2022 Toerana : FLME MONTPELLIER Adresse: 14 rue des Escholiers Saint Jean de Vedas 34430 (Salle Tourrière)

Culte 23/01/2022

Miarahaba antsika rehetra.  Ny fotoam-pivavahana ny Alahady 23/01 ho avy izao dia ho tanterahana ao @ CUP (salle Henri Bois na Chapelle). Fidirana @ 11 ora.  SALOMA : Hisy ny fampianarana sekoly alahady izay miditra @ 10 ora. Hisy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Ho tanterahana aorinan’ny fotoam-mpivavahana ny famangiana an’i Valentine mianakavy. Ny Tompo anie hitahy antsika.

Culte 16/01/2022

Miarahaba antsika rehetra.  Ny fotoam-pivavahana ny Alahady 16/01 ho avy izao dia ho tanterahana ao @ CUP (salle Henri Bois na Chapelle). Fidirana @ 11 ora.  SALOMA : Hisy ny fampianarana sekoly alahady izay miditra @ 10 ora. Hisy ny asa sy fampaherezana. Ny Tompo anie hitahy antsika.

Krismasin'ny Toby 22-23/01/2022

Ry havana, Hampitomboina aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin' Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompontsika. Ny Pastora‚ ny Raiamandren’ny Toby ary ny Birao komitin’ny Toby Pouru Saint-Rémy dia faly miarahaba anareo amin'ny anaran'i Jesosy. Fifaliana ho anay ny manasa anareo amin' ny fankalazana ny Krismasin'ny Toby ny Asabotsy 22 janoary sy ny Alahady 23 janoary 2022 , ny toerana hivoriana dia ao amin'ny salle de fête de POURU AUX BOIS ary manomboka amin'ny 5 ora hariva (17h ) ny fotoana. Hisy ny fisavana pass sanitaire, koa aoka samy hiomana amin'izany isika. Araka ny fandaminana dia tsy hisy ny fiaraha misakafo, ary ny tsirairay no hikarakara ny toerana izay hatoriana. Dia maniry ny fahatongavanareo maro mba hiarahantsika rehetra mifaly amin'izany fotoan-dehibe izany. Manao veloma finaritra anareo amin'ny anaran' i Jesosy Kristy Tompo.  Amin’ny anaran’ny biraon’ny Komiin’ny Toby   Ny filoha Dr ANDRIAMBOLOLONA Jean

Culte 02/01/2022

Salama e. Miarahaba antsika rehetra tratry ny taona vaovao 2022. Mirary ny soa sy ny tsara rehetra ary samy mba ho tahian’Andriamanitra daholo isika rehetra. Fampatsiahivana fohy fa ao @ CUP no hankalazantsika ny alahadin’ny Epifania rahampitso. Hatomboka @ 11ora ny fotoana. Tahin’i Jesosy.

Tratry ny taona 2022

 " Jehovah hiaro anao na mivoaka na miditra hatramin'izao ka ho mandrakizay." Salamo 121, 8 Izany Tenin'Andriamanitra izany no entinay mianankavy miarahaba anao sy ny ankohonanao hiatrehana izao taona vaovao 2022 izao. Mirary taon-jina ho any tsirairay homban'ny fitahin'i Jesosy