Articles

Affichage des articles du avril, 2022

Alahadin'ny Paska 17/04/2022

Salama, Ilazana isika fa ny Fifil dia manomana fivarotan-tsakafo ho antsika ny Alahadin'ny Paska ho avy izao ho fanampiana amin'ny dian’izy ireo hamonjy ny fiofanana any amin'ny Toby Pouru Saint Remy ny 29, 30 avril ary ny 1 mai ho avy izao.   Henakisoa sy akoho ary Kabaro sy hen'omby no laoka, misy ihany koa crudité sy ny desserts, 10€ ny fandraisan’anjara. Izany dia ho tanterahana ao amin'ny CUP aorinan’ny culte, ka anasana antsika tsy ankanavaka hiara-hanotrona izany, Ny fanompoam-pivavahana  kosa dia hanomboka 10 :30 amin'io ary tsisy ny activitén'ny sampana , hisy ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo no hisy ihany koa ny valopin'ny Paska toy ny fanaontsika isan-taona Samia mahatsiaro ambavaka izany fotoan-dehibe izany. Veloma mandrampihaona

Fandaharana Zaikakely

Image
 

Zaikakely FKTLM SP FLM Eoropa taona 2022

Fiangonana Loterana Malagasy Synodam-Paritany Fiangonana Loterana Malagasy aty Eoropa SAMPANA FKTLM Ry havana, Ho aminareo anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. Am-pifaliana no hanentananay FKTLM SP, ny tanora sy ny fiangonana rehetra manerana ny Sinodam-paritany, ho tonga hiara-hidera sy hankalaza an’Andriamanitra mandritra ny Zaikakely FKTLM SP FLM Eoropa taona 2022, izay hatao ao amin’ny  Fiangonana Orléans, Fileovana PARIS ny Asabotsy 09 sy ny Alahady 10 Avrily 2022. Ny adiresy dia toy izao : - ny Asabotsy : 1 Rue du Pressoir Neuf 45000 Orléans (salle Lyon de Saint Marc) - ny Alahady :  1 Rue Verte, 45 000 Orléans Ny sakafo : • Forfait adulte 20€ (asabotsy atoandro / alina + alahady atoandro) •Forfait ho an'ny ankizy latsaky 12 taona : 5€ •8€ isaky ny sakafo ho an’ny tsy maka forfait. •Maimaimpoana ny sakafo maraina asabotsy sy Alahady ary ny goûters. Tsara raha mitondra Fanamiana ny Sampana KTLM ho amin’ny Antsam-panahy

Fotoana 03/04/2022

Salama Araky ny fantatsika dia alahady voalohany amin'ny volana rahampitso ka arak'izany dia fotoam-pifohazana io, amin'ny 11 ora toy ny mahazatra ny fidirana ao amin'ny chapelle Faculté de théologie.  Hisy ny fianaran'ny Saloma, hisy ihany koa ny fianarana teny Malagasy izay anasana ny zanatsika tsy miteny gasy ( tsara mba hotronin'ireo ankizy tsy miteny gasy izy io). Hisy ny fivarotan'ny sampana KTLM mofo izay hanohanatsika azy ireo amin'ny fiatrehana ny isan-taonany izay hatao exceptionnellement any Orléans  ny 9 sy 10 Aprily ho avy izao, ka dia manantena antsika rehetra amin'ny fanotronana izany fotoana izany no samy hitrotro ambavaka ihany koa. Manao veloma finaritra homban'ny fitahian'i Jesosy.