Zaikakely FKTLM SP FLM Eoropa taona 2022

Fiangonana Loterana Malagasy

Synodam-Paritany Fiangonana Loterana Malagasy aty Eoropa

SAMPANA FKTLM


Ry havana,

Ho aminareo anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

Am-pifaliana no hanentananay FKTLM SP, ny tanora sy ny fiangonana rehetra manerana ny Sinodam-paritany, ho tonga hiara-hidera sy hankalaza an’Andriamanitra mandritra ny Zaikakely FKTLM SP FLM Eoropa taona 2022, izay hatao ao amin’ny 


Fiangonana Orléans, Fileovana PARIS ny Asabotsy 09 sy ny Alahady 10 Avrily 2022.


Ny adiresy dia toy izao :

- ny Asabotsy : 1 Rue du Pressoir Neuf 45000 Orléans (salle Lyon de Saint Marc)

- ny Alahady :  1 Rue Verte, 45 000 Orléans


Ny sakafo :

Forfait adulte 20€ (asabotsy atoandro / alina + alahady atoandro)

•Forfait ho an'ny ankizy latsaky 12 taona : 5€

•8€ isaky ny sakafo ho an’ny tsy maka forfait.

•Maimaimpoana ny sakafo maraina asabotsy sy Alahady ary ny goûters.

Tsara raha mitondra Fanamiana ny Sampana KTLM ho amin’ny Antsam-panahy hatao ny Asabotsy hariva sy ny Fotoam-pivavahana ny Alahady maraina.


Ny fivoriana toy izao no handraisana fampaherezana sy aim-panahy avy amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Dia samia mitondra am-bavaka ny Zaikakely.

Ho fandaminana, dia irina ny handefasan’ny Sampana KTLM Isam-pileovana ny isan’ny olona hamonjy io Zaikakely io, any amin’ny mpikarakara ao amin'ny KTLM Fileovana Paris.

-Andrianjafitrimo Raherinjatovo : raherinjatovo.andria@gmail.com 0612713756

-Randriambololona Miora : miorarandria9@gmail.com 0664414223


Dia manao veloma finaritra ao amin’ny Tompo.

Ny Birao FKTLM SP FLM Eoropa.