Articles

Affichage des articles du août, 2022

Isan-droa volana 28/08/2022

Salama Araky ny efa fantatsika dia isan-droavolana isika ny week-end ho avy izao, ny asabotsy tolakandro dia ao amin'ny Faculté ihany isika no hankalaza izany à 16h, hisy ny fampianarana no hisy ihany koa ny asa sy fampaherezana, ny alahady kosa dia hirona hankany Toulouse isika rehetra hiara-hanotrona izany, arak'izany dia asaina isika rehetra izay maniry ny handeha mba samy hampandre an'i Pastora na i Président hazahoana mandamina izany. Mino sy manantena antsika ho tonga maro ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.  Manao veloma finaritra homban'ny fitahian'i Jesosy

Culte 14/08/2022

Miarahaba amin'ny anaran'i Jesosy  Misokatra hatrany ny Fiangonantsika alahady ho avy izao, izany dia hanomboka amin'ny 11 ora toy ny mahazatra, hisy ny fandraisana fanasan'ny Tompo ka dia efa mampiomana antsika rehetra amin'izany.  Tahin'i Jesosy