Isan-taona 30/10/2022 Marseille

Salama tompoko 

Araky ny efa fantatsika dia hikatona ny Fiangonana week-end ho avy izao nohon'ny isan-taonan'ny Synoda izay hatao any amin'ny renivohitry ny fileovana any Marseille.

Arak'izany dia manantena antsika rehetra mba ho tonga maro hanotrona izany fotoana izany na ny asabotsy na ny alahady ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany. 

Marihina fa isika fileovana Marseille no hiandraikitra ny fikarakarana ny sakafo amin'ny maha tompon-trano antsika ka dia mampiomana antsika mba hiara-hisalaha, hifanolo-tanana amin'izany.


Manao veloma finaritra homban'ny fitahian'i Jesosy hatrany