Isan-telo volana 11/12/20222

Salama tompoko 

Hoy ny Tenin'Andriamanitra:

" Fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra." II Kor.9, 7b

Misaotra an'i  Jesosy no misaotra antsika Fiangonana tompoko tamin'ny fahavitan'ny alahadin'ny Pastora, alahady lasa teo. Tsy voavalinay izany tompoko fa dia Andriamanitra tompon'ny harena hanonotra ny laninareo aminay, mankasitraka  indrindra tompoko 🙏.

Manarak'izany dia isan-telovolana isika ny week-end ho avy izao eny amin'ny  salle Tourrière 14 rue des escholiers 34430 Saint Jean de védas, toy izao ny programa:


Asabotsy :

- 12h fiaraha-misakafon'ny komitin'ny fileovana ary 13h fivoriana 

- 15h ny fivorian'ny komitin'ny sampana tsirairay eo amin'ny fileovana, ampiomanina manokana ny sampana FDL fa hatsangana amin'io ny komitin'izany sampana izany eo anivon'ny fileovana ka dia manantena antsika solotena avy eto amin'ny Montpellier. 

- 16h ny fanomboan'ny fotoana, fampianarana Soratra Masina "Ny amin'ny andron'i Jehovah sy ny fanjakana 1000 taona" izay ho entin'i Pastora tsika arahina Toriteny ho entin'i Pastora Mino 

- Hisy ihany koa fankalazana ny noelin'ny fileovana aorian'ny Asa sy fampaherezana . 


Alahady:

- Saloma à 9h30

- Fanompoam-pivavahana à 10h30 ary hisy ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo. 

Ny sakafo atoandro alahady dia anasana antsika isan-tokantrano mba hitondra laoka toy ny fanaontsika, ny vary sns kosa dia ny Fiangonana no hiandraikitra izany.

Manantena ny fanotronantsika sy ny fandraisantsika anjara ary ny fiombonantsika rehetra ny amin'izany ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany. 


Tahin'i Jesosy